I Mahajanga na Majunga, dia tanàna misy seranan-tsambo any amin' ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara, eo amin' ny vavaranon' i Betsiboka ny misy azy. Izy no renivohitry Faritra Boeny sy ny Faritanin' i Mahajanga. 550 km any avaratra-andrefan' Antananarivo no misy azy. Mahajanga dia nisy mponina 246 022 tamin' ny taona 2018 ary tanàna fahefatra lehibe indrindra eto Madagasikara, aorian' Antananarivo sy Toamasina ary Antsirabe[1].
Renivohitry ny Sakalavan' i Boeny ny tanànan' i Mahajanga. Ny mpanjaka Andriamisara Efadahy no mpanjaka sakalava farany talohan' ny natongavan-dRadama I mpanjakan' Imerina.
Ny anaran' i Mahajanga
I Mahajanga dia antsoina hoe Mojanga na Majunga koa.
Ny anarana hoe Mahajanga dia midika hoe "mahasitrana", araka ny lovantsofina. Nisy mpanjaka nitady fanafody hanasitranana ny zanany ka nitety ny Nosy, ary rehefa tonga tany Mijangaïa ("Tanànan' ny Voninkazo", ny anarany taloha) izy, dia nilaza hoe: Mahajanga ity tananà ity, ary dia raikitra ilay anarana. Misy koa ny milaza fa ny anaran' ilay tanàna dia avy amin' ny anarana voninkazo iray, antsoina hoe angaya, nentin' ny Arabo tamin' ny taonjato faha-15[2].
Tantara
Tamin' ny andro fahagola
Azo inoana fa efa nisy mponina ny faritra amisy an' i Mahajanga tamin' ny andro fahagola, talohan' ny vanimpotoan' ny tantara. Tao amin' ny lava-bato lehibe ao Anjohibe any amin' ny 30 km avaratra-atsinanan' i Mahajanga, manakaiky an' i Mahajamba, dia nahitana taolan' ny karazana lalomena zeny (Hippopotamus lemerlei) izay efa tsy misy intsony ankehitriny. Nanambara ny fanomezana daty amin' ny alalan' ny radiôkarbônina fa taolam-biby niaina tany amin' ny taona 2000 tal JK any ho any ireo taolana ireo. Izany fahitana izany dia namindra ny daty heverina fa nahatongavan' ny mponina voalohany teto Madagasikara izay niseho tamin' ny 1 500 taona any aloha kokoa. Ny helodrano roa mifanila amin' i Betsiboka sy amin' i Mahajamba dia eo amin' ny fihaonan' ny lalana roa mety ho nonenan' ny olombelona, ny iray mandalo an' i Kômôro ho an' ny fiaviana afrikana, ny iray hafa miampita ny Nosy avy any avaratra-atsinanana avy any Antongila ho an' ny fiaviana aziatika[2].
Vanim-potoana faha foko sy faha mpanjaka
Toa tamin' ny taonjato faha-14 na faha-15 no nanorenan' ny Antalaotra na Antalaotse, izay tantsambo mpisava lalana sy mpanjono arabo mifangaro afrikana, ny tanànan' i Mahajanga, izay tonga tamin' ny lakana lava avy any amin' ny Hoalan' i Ômana nandalo tao Zanzibar sy Kômôro, araka ny fitsokan' ny rivotra moussons isan-taona ao amin' ny Ranomasimbe Indianina[2].
Renivohitry ny Fanjakana Sakalavan' i Boina i Mahajanga taorian' ny fikambanan' ny foko malagasy any amin' ny morontsiraka andrefana ho fanjakà-mpanjaka. Nisy firoboroboana ity tanàna ity tamin' ny taonjato faha-18 amin' ny maha tobim-panangonana harena avy any amin' ny morontsirak' i Afrika natokana halefa an' i India. Tamin' io fotoana io no niforonan' ny vondrom-piarahamonina indiana lehibe (fianakaviana 6 000 araka ny voalazan' i Dumaine tany Mouzangaïe tamin' ny taona 1792)[2].
Nanamarika ny fahatapahan' ny fifandraisana tamin' ny tapany avaratry ny Nosy ny fandresen' ny mpanjaka merina ilay fanjakana sakalava tamin' ny taona 1824, nefa tsy nisakana ny firoboroboan' ny tanàna izany; nanokatra tobim-barotra tao ny Amerikanina tamin' ny tana 1830[2].
Vanim-potoan' ny fanjanahantany
Ny fisokafan' i Mahajanga amin' ny lalam-pifandraisana an-dranomasina, sy ny fiantsoana ao aminy izay nety tsara amin' ny sambo lehibe tamin' izany fotoana izany, ary ny fifampikasohana tamin' ny sivilizasiôn' ny vahoaka manodidina no nahatonga an' io tanàna io hahaliana ny mpanjanatany: tao Mahajanga tokoa no nigadona ny tafika frantsay taty, tamin' ny taona 1882-1883 aloha, avy eo tamin' ny taona 1895-1896, niisa 15 000 ny mpiady niondrana an-tsambo miisa 23, nandray anjara tamin' ny ady sy ny fakana an' i Madagasikara. Ny isan' ny mponina dia 7 908 tamin' ny taona 1903 (anisan' izany ny Indiana miisa 646)[2].
Nandroso haingana ilay tanàna taorian' ny fanombohan' ny fibodoana nataon' ny Frantsay, nandritra ny fanjanahantany, betsaka ny zava-bita (toy ny quais izay fantatra amin' ny anarana hoe Barriquand ao amin' ny seranan-tsambo ho an' ny raharaham-barotra, ny lalana azo andehanana fiarakodia mihazo an' Antananarivo, ny hôpitalin' Androva, sns.) Ho takalon' izany dia notrandrahin' ny mpanjanatany fatratra ny ny loharanon-karena teto an-toerana, indrindra ny vokatry ny fambolena. Nanomboka tamin' ny Ady Lehibe Voalohany dia nampiasaina hamatsiana omby, avy any amin' ny faritra andrefana, ho an' ny tafika frantsay, ny orinasa misy fampangatsiahana ao Boanamary, anirà any amin' ny Helodranon' i Bombetoka. Nanaraka an' izany ny fiharian-karena miankina amin' ny fambolena midadasika izay nanomezana tany ny orinasa vaventy mpikarakara fambolena paraky sy landihazo ary vary nety tsara any ambanivohitra noho ny tetikasa fitarihan-drano hanondrahana tany midadasika (Marovoay, Ambatoboeny) izay namelona an' i Mahajanga sy ny seranan-tsambony hatramin' ny taona 1970[2].
Taorian' ny nahazoana ny fahaleovantena
Tamin' ny Desambra 1976 dia nitranga ny Rotaka (na Kafa la Mjangaya amin' ny teny kômôriana), izay fandripahana ny Kômôriana tao anatin' ny telo andro tao an-tanànan' i Mahajanga, izay tsy nosakanan' ny mpitondra fanjakana, ka nahafaty olona maherin' ny 500 any ho any sy nahatonga ny fiaingan' ny Kômôriana maherin' ny 15 000 handao ilay tanàna[2].
Mijanona ho toerana fampifandraisana manan-danja amin' ny fanaraha-maso ny Lakandranon' i Môzambika i Mahajanga: ao Belobaka, 20 km miala ny tanàna, no misy ny onjam-peon' ny governemanta amerikana[2].
Tanàna mpanitara ny olana mitranga i Mahajanga: fandrobana ny tranombarotry ny Karàna (taona 2002 sy 2009) sy ny an' ny ireo Malagasy heverina ho akaiky ny fitondrana (fandorana ny orinasa Tiko)[2].
Ny fisian' ny Mozilmana dia hita amin' ny fisian' ny môskea sy ny madrasa, indraindray tena tranainy, manaraka fombam-pivavahana siitan' ny roa ambin' ny folo, agakanista (nizarita), bôrà sy kôja ao Mahajanga Be, sy ny Sonita nandray ny fomban' ny silamo kômôriana (indrindra fa ny môske lehibe ao Mahabibo).
Ho an' ny Sakalavan' i Boina mpandala ny fomban-drazana dia i Mahajanga no toeram-pandevenana ny mpanjaka ary toerana fanaovana lanonana ara-poko sy ara-pivavahana, ny Fanompoambe (na Fanampoana) ao amin' ny Doany Miarinarivo ao Tsararano, izay ivorian' ny mponina avy amin' ny faritra andrefana amin' i Madagasikara. I Andrianirina Désiré no ampanjakabe ankehitriny.