Ny paraky dia zavamaniry ahitra maniry isan-taona, ao amin' ny fianakaviana Solanaceae, teratany any Amerika Afovoany, ambolena betsaka mba hahazoana raviny maina izay be nikôtinina ampiasaina amin' ny fanomanana ny paraky hofohina na hokisohina. Nicotiana tabacum no anarany ara-tsiansa. Rehefa lehibe izy dia mahatratra 1 ka hatramin' ny 2 m. Mitohy hatrany ny fikarohana momba ny razambeny amin' ny vonsron-karazana Nicotiana eny amin' ny natiora, saingy heverina fa safiotra avy amin' ny Nicotiana sylvestris sy ny Nicotiana tomentosiformis, ary angamba koa ny Nicotiana otophora, izy io.
Toetrany
Ahitana alkalôida tena misy poizina ilay zavamaniry: ny nikôtinina (fatra mahafaty eo anelanelan' ny 30 sy 60 mg) izay famonoana bibikely mahery vaika (50 heny noho ny DDT). Voapoizina indraindray ny mpioty ravim-paraky satria miditra amin' ny hoditra ny nikôtinina (aretin' ny paraky maitso). Mahalana no misy ny fanapoizinana avy amin' ny fihinanana mivantana ilay zavamaniry.
Any ambanivohitra dia tsy maintsy arovana tsy ho eny amin' ny tanim-paraky ny biby fiompy satria amin' ny ankapobeny dia tsy mazaka mihinana ravin-paraky izy ireo. Maro ny fanadihadiana mampiseho fa ny fifohana sigara dia miteraka homamiadana.