Antananarivo dia renivohitra ara-pôlitika sy ara-toekarenan' i Madagasikara. Ny dikan' ny anarana hoe Antananarivo dia "Tanànan' ny Arivolahy".
Antananarivo dia ao amin' ny faritanin' Antananarivo, izay midadasika amin' ny velarantany 58 283 km2, sady tena eo anivon' ny Nosy
Ny tanànan' Antananarivo renivohitra kosa dia eo amin' ny 1254 m ny hahavony mihoatra amin' ny ranomasina (Araben'ny Fahaleovantena); 1282 m (Lapan'Andafiavaratra), 1468 m (Rovan' i Manjakamiadana).
Jeografia
Azo lazaina ho ranoray ny firafitry ny vohon-taniny raha miohatra amin' ireo faritany sasany toa an' i Fianarantsoa na Toamasina.
Any avaratra, misy an' i Tamponketsa dia tany karankaina; zara raha mahavokatra kely horaofin' ny biby fiompy ny any Bongolava any andrefana. Ny any atsimo no manankarena, izay ahitana ny onin' i Mania. Any atsinanana kosa dia voafaritr' ireo harambato mitatao ny lemak' i Moramanga sy Anjiro amin' ny lafiny iray ary ny debok' Alaotra amin' ny ankilany.
Ny salan' ny haavon' ny tendrombohitra dia 1 300 m, fa ny avo indrindra dia Tsiafajavona, 2 700 m, ao amin' ny vondron-tendrombohitr'Ankaratra.
Maro ireo ony miandoha avy any Itasy sy Vakinankaratra no miantoka ny famatsian-drano ireo faritra manodidina.
Ny fiandohan' ny onin' i Mahajamba dia avy ao Anjozorobe; i Betsiboka avy ao Ambohidratrimo; Ikopa sy i Sisaony avy any Ankaratra; Isandrano avy any Miarinarivo; i Manambolo avy any Tsiroanomandidy; iSakay sy i Lily avy any Itasy, i Kitsamby avy any Arivonimamo ary i Onive avy any Antsirabe.
Tantara
Faha mpanjaka
Ny tanàna sy ny lapa ary ny rova
Teo Ambohimitsimbina no nisy ny rova tany amboalohany (fiantombohan’ ny taonjato faha-17) vao nafindra teo avaratr’ Ambohimitsimbina amin’ ny toerana misy ny rovan’ Antananarivo ankehitrio. Tao anatin' ny rova dia maro ireo lapa niorina ka saika niorina atsimo nianavaratra izy ireny, ka ny lapa tranainy indrindra no any atsimo indrindra ary ny lapa tanora indrindra no avaratra indrindra ka toy izao izany: eroa atsimo indrindra i Besakana izay naorin' Andrianjaka; teo avarabaratr' i Besakana kosa no naorin' Andrianampoinimerina i Mahitsielafanjaka sy Felatanambola (ity Felatanambola ity dia efa rava ka teo no nanorenana an' i Manjakamiadana); teo avaratr' i Mahitsielafanjaka kosa no naorin-dRadama I ny Tranovola ho tranon-dRasalimo; teo amin' ny Felatanambola fahiny no naorin-dRanavalona I i Volamahitsy izay lasa Manjakamiadana rehefa nofonosina vato; ary farany ny Tranovola izay tranon-dRasalimo sy avaratra indrindra dia nataon-dRanavalona I ho tranon-dRakoto zanany (Radama II) fa i Manampisoa kosa dia teto atsimon' i Manjakamiadana no naorin-dRasoherina (io Manampisoa io no tsy tahaka izany). Tamin-dRadama I dia nisy rova miisa roa teo Antananarivo ka ny "rova atsimo" dia ireo misy ny lapa tranainy toa an' i Besakana sy ny manodidina azy. Ny "rova avaratra" kosa izay nataon-dRadama hisy ny lapany dia eo avaratry ny rova atsimo. Ny lapa tamin' ny Rova atsimo no natao fametrahana ny fatin' ny mpanjaka niamboho nanomboka tamin-dRadama I.
Teo Antananarivo ihany, Andriatsimitoviaminandriandehibe nanjaka teo tamin' ny taonjato faha-18 dia nanana zanaka roalahy dia Lambotsitakatra sy Andriamasinavalona, koa nozarain' Andriatsimitoviaminandriandehibe roa ny fanjakany ka Antananarivo, Ambohimanga sy Ambohidrabiby ary ny avaratra rehetra amin' ny fanjakany dia nomeny an' i Lambotsitakatra zanany lahimatoa ary Alasora, Ambohimanjaka sy Antanamalaza, sy Fandana sy Ambohimanambola dia nomeny an' Andriamasinavalona izay zandry olona.
Teo Antananarivo hatrany, Andrianampoinimerina dia nanorina tanàna voahodidina hadivory hoan' ny andriana, ka teo ambany avaratry ny rovan' Antananarivo, teo Andohalo, no nanorenany izany ka ny Andriamasinavalona, ny Andriandoriamanjaka, ny Andriantompokoindrindra, Ny Andriandranando, ny Andrianamboninolona, ary ny terak’i Raberanto avy ao Ambodifahitra no nahazo nonina tao anatin' io faritr' Andohalo voahodidina hadivory io. Ny havan’ andriana, ny hova ary ny mpanompo dia tsy nahazo zara tany sy tsy nahazo nonina tao anatin' io faritr' Andohalo voahodidina hadivory io.
Fizahan-tany
Antananarivo dia tsy dia manana toerana mahasarika ny mpizaha tany loatra mihoatra ireo faritany hafa. Ny tena misongadina dia ny valanjavabohary Tsimbazaza.
Jeôgrafia
Eo ampovoan' ny Nosin' i Madagasikara no misy an' Antananarivo, any atsimo-andrefanan' ny Ranomasimbe Indianina.
Toetany
Ny toetanin' Antananarivo dia araka ny fanasokajian' i Köppen ny toetany dia Cwb izany hoe manana toetany trôpikaly antonontonony nohon' ny haavon' ny tany. Amin' ny volana Oktobra hatramin' ny volana Martsa dia mafana ny andro ary mety mahatratra hatrany amin' ny 35°C any ho any ny mari-pana, amin' io enimbolana io dia mahery ny 50 mm isam-bolana ny latsak' orana. Amin' ny volana Aprily ka hatamin' ny volana Septambtra dia antonontonony ny hafanana. Amin' io enimbolana io dia latsaky ny 50 mm ny latsak' orana.
Fampahalalana mikasika ny toe-tanin'i Antananarivo