I Tirôsy na Tiro[1] na Tira[2] dia tanàna any amin' ny tapany atsimon' i Libanona, iray amin' ireo tanàna tranainy indrindra misy olona eran' izao tontolo izao, na dia tsy nisy mponina firy tamin' ny Andro Antenatenany nandritra ny taonjato vitsivitsy, nisy mponina kely fotsiny. Izy io dia iray amin' ireo tanàna fenisianina lehibe voalohany indrindra sy toerana nahaterahan' i Eorôpa araka ny angano, sy i Kadmôsy ary i Foeniksa rahalahiny, ary koa i Didô mpanorina an' i Kartago. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe صور, fa amin' ny teny grika kosa dia Τύρος / Týros.
Firesahana an' i Tirôsy ao amin' ny tontolo jodeô-kristiana