Samoela

Manosotra an' i Davida ho mpanjaka i Samoela, sary nataon' i Jan Victors.
Nitondra an' i Samoela teo amin' i Ely i Ana reniny, sary nataon' i Gerbrand van den Eeckhout tamin' ny taona 1665.
Niseho tamin' i Saoly ny fanahin' i Samoela, sary nataon' i Salvator Rosa, taona 1668.

I Samoela dia sady mpaminany no mpitsara tamin' ny vanim-motoana voalohany nahatongavan' ny Israelita tao amin' ny tany Kanaana. Izy no farany amin' ny mpitsara tao Israely nandimby an' i Ely. Ny lovantsofina dia milaza fa izy no nanoratra ny Boky voalohany sy faharoan' i Samoela niaraka amin' i Gada sy i Natàna. Niala amin' ny maha mpitsara azy izy tamin' ny nanosorany an' i Saoly ho mpanjaka, araka ny Boky voalohan' i Samoela (1Sam. 8-15), ary tapitra teo ny andron' ny mpitsara. Izy koa no nanosotra an' i Davida ho mpanjaka (1Sam. 16-31).

Ny anarany

Atao hoe שְׁמוּאֶל / Shemūʼēl, izay midika hoe "anaran' Andriamantra" na "ny anarany dia Andriamanitra", izy amin' ny teny hebreo. Atao hoe Σαμουήλ / Samouél izy amin' ny teny grika izy, ary صموئيل / Ṣamūʾīl amin' ny teny arabo.

Ny tantarany araka ny Baiboly

Teraka tao Rama i Samoela. Raha mbola kely izy dia natokan' i Ana reniny ho an' Andriamanitra satria ninoany fa fanomezan' Andriamanitra i Samoela noho i Ana vehivavy momba. Nentin' i Ana hotezaina ao amin' i Ely lehiben' ny mpisorona izy tamin' ny fahazazany. Rehefa lehibe i Samoela dia niverina tao Rama (1Sam. 7:17) ka tao izy no niasa amin' ny maha mpitsara azy sady ao koa no misy ny fasany (1Sam. 25:1). Nandritra ny fotoana nisian' ny fahasahiranan' ny firenena sy tamin' ny tetezamita teo amin' ny fitondràn' ny mpitsara sy ny fitondrà-mpanjaka dia nisahana andraikitra lehibe manokana i Samoela.

Taty aoriana, rehefa tonga mpaminany antitra sy nalaza tao Israely i Samoela, dia nanendry ny mpanjakan' ny Hebreo voalohany, dia i Saoly (na Saola), izay natoron' Andriamanitra azy. Nila mpanjaka tokoa ny Hebreo na dia tsy tian' i Samoela aza izany, satria hoy Andriamanitra tamin' i Samoela: "Henoy ny feon' ny vahoaka, satria tsy ianao no laviny fa Izaho, mba tsy hanjakako aminy intsony".

Rehefa tsy sitrak' Andriamanitra i Saoly dia nilaza tamin' i Samoela mba hanosotra olona hafa ho mpanjaka, dia i Davida izany, izay mbola zazalahy mpiandry ondry. Rehefa nadresy an' i Gôliata i Davida dia nalaza be nihoatra an' i Saoly ka afaka nanomana azy amin' ny fanosorana sy fametrahana azy teo amin' ny toeran' ny mpanjaka amin' izay i Samoela. Taorian' ny nahafatesan' i Samoela, ny omalin' ny andro niadian' ny Hebreo sy ny Filistina teo amin' ny tendrombohitra Gelbôa (na Gelbôe), izay nahafaty an' i Saoly sy i Jônatana zanany, dia niteny tamin' ny mpamoha angatra tao Endôra i Saoly mba hiantso ny fanahin' i Samoela ka hanoro hevitra azy (1Sam. 28:13). Nilaza ny hahafatesan' i Saoly i Samoela.

Nanoratra boky, araka ny lovantsofina

I Samoela no nanoratra ny Bokin' ny Mpitsara sy ny ampahan' ny Bokin' i Samoela izay nadraisan' ny mpaminany Gada anjara fanoratana koa araka ny lovantsofina jiosy.

Jereo koa

Strategi Solo vs Squad di Free Fire: Cara Menang Mudah!