I Tajikistàna na Repoblikan' i Tjikistàna dia firenena be tendrombohitra ao Azia Afovoany, izay tsy mifandray amin' ny ranomasina. I Dushanbe no renivohiny. Mamaritra azy avy ao avaratra-atsinanana i Kirgizistàna, ao atsinanana i Sina, ao atsimo-andrefana i Afganistàna, ary ao andrefana i Ozbekistàna. Atao hoe Тоҷикистон / Tojikiston na Ҷумҳурии Тоҷикистон / Jumhurii Tojikiston izy amin' ny fiteny tajika.
Firenena be tendrombohitra mandrakotra ny 93 % amin’ ny taniny i Tajikistàna, ary saika ny antsasaky ny veleran-taniny dia manana haambo 3 000 m na mihoatra. Tahirin-danomandry maro no mamatsy rano ny ony maro mamakivaky azy.
Repoblika sôsialista sôvietika taloha (tao amin’ ny Firaisana Sôvietika) i Tajikistàna, izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991, ary mikambana ao amin’ ny Fianakaviamben’ ny Fanjakana Mahaleo Tena (Communauté des États Indépendants -- CEI).
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.
Strategi Solo vs Squad di Free Fire: Cara Menang Mudah!