Sarin-tany maneho ny faritr' i Mikrônezia
I Mikrônezia dia iray amin' ireo vondro-nosy telo lehibe, manampy an' i Melanezia sy i Pôlinezia , izay mamorona an' i Ôseania . Ireto avy ny fanjakana sy ny faritra ara-pôlitika hita ao amin' ny faritr' i Mikrônezia:
Fiteny any Mikrônezia
Sarin-tany maneho ny fizaràm-paritr' i Ôseania. Ny fiteny tenenina any amin' ny faritr' i Mikrônezia talohan' ny fanjanahan-tany eorôpeana, dia ireo fiteny mikrôneziana , ao amin' ny sampana malaiô-pôlineziana n' ny fiteny aostrôneziana . Anisan' ny fiteny ôseaniana ny fiteny mikrôneziana. Anisan' ny fiteny any Mikrônezia ny fiteny karôliniana , ny fiteny zilbertina , ny fiteny kôsrae , ny fiteny lamôtreka , ny fiteny marsaley , ny fiteny môkily , ny fiteny môrtloka , ny fiteny pôhnpela , ny fiteny poloaty , ny fiteny sooka , ny fiteny olity , ary ny fiteny sônsôrôley . Ahitana fiteny pôlineziana , izay mbola fiteny aostrôneziana, koa ny ao amin' io faritra io.
Jereo koa
Fizaràm-paritra any Ôseania :