Ny kalsiôma dia singa simika, singa metaly fahadimy betsaka indrindra eto ambonin' ny tany (mihoatra ny 3 %). Ny kalsiôma dia manana anjara asa manan-danja amin' ny fahaveloman' ny olombelona sy ny biby hafa misy hazon-damosina: tena ilaina amin' ny fitomboan' ny taolana io singa io. Ny kalsiôma dia singa simika mitondra ny laharana atômika 20, sy aseho amin' ny alalan' ny eva Ca. Metaly alkalinina fotsifotsy miloko volondavenona ary somary mafy ny kalsiôma.
Tsy fahita amin' ny endrika zaka madio izy eo amin' ny natiora. Mifangaro amin' ny singa hafa no ahitana ny kalsiôma voajanahary. Ny mahazatra indrindra dia karibônetra-na kalsiôma (CaCO3) izay hita any amin' ny toetram-pitrandrahana vatovandana (na marbra), ao amin' ny tsaoka, ao amin' ny akorandriaka ary ao amin' ny lava-bato sasany amin' ny endrika stalagmita sy stalaktita.
Ao amin' ny olombelona sy ao amin' ny biby rehetra misy taolan-damosina, ny kalsiôma dia singa tena ilaina amin' ny fitomboana (1 ka hatramin' ny 2 % amin' ny lanjan' ny vatan' olon-dehibe). Hita ao amin' ny firafitry ny nify, ny an' ny taolana, taolan-trondro na akorandriaka sy ny akoran' atody izy. Loharanon' ny kalsiôma ny vokatra vita amin' ny ronono. Ny tsy fahampian' ny kalsiôma dia mety hisy fiantraikany amin' ny fiforonana sy ny fitomboan' ny taolana sy ny nify. Ny otrikaina D dia ilaina mba hitazomana ny kalsiôma amin' ny taolana. Ny kalsiôma koa dia mitana anjara toerana lehibe amin' ny fiainan' ny sela, nefa poizina ho an' ny sela ihany koa raha mihoatra ny fatra ilaina.