Ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy ampiasaina indrindra amin' ny raharaham-panjakana, ny pôlitika, ny fitsarana, ary ny asa fanaovan-gazety. Amin' ny fitambarany, tombanana ho 69 ny fiteny ampiasaina ao amin' ity firenena ity, ka ny 60 amin' ireo dia fiteny teratany. Ny fiteny môôre (na môsy) no fiteny be mpampiasa indrindra any Borkina Fasô, ampiasain' ny antsasaky ny fitambaran' ny mponina, indrindra any amin' ny faritra afovoany manodidina an' i Ouagadougou renivohitra. Ny 1,3 amin' ny mponina no mahafehy ny fiteny frantsay raha 13 % eo no mampiasa azy tsy feno.
Ny fiteny afrikana
Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2006, ny fiteny tenenina tany Borkina Fasô dia ny fiteny môôre na môsy (40,5% amin' ny mponina), ny fiteny folany na fola (29,3 %), ny fiteny gormantse (6,1 %), ny fiteny bambara (4,9 %), ny fiteny bisa (3,2 %), ny fiteny boamo (2,1 %), ny fiteny dagara (2 %), ny fiteny sàna (1,9 %), ny fiteny lobiry (1,8 %), ny fiteny liele (1,7 %), ny fiteny bôbô sy senôfo (1,4 % avy), ny fiteny nony (1,2 %), ny fiteny dafingy (1,1 %), ny fiteny tamaseka (1 %), ny fiteny kasema (0,7 %), ny fiteny goina (0,4 %), ny fiteny dôgôna sy sôngay ary goronsy (0,3 % avy), ny fiteny kô, kosase, sembla ary siamo (0,1 % avy), fitenim-pirenena hafa (5 %), fiteny afrikana hafa (0,2 %), fiteny frantsay (13 %), ary fiteny tsy teratany hafa (0,1 %).
Any andrefana, ny fiteny mande dia be mpampiasa, ny ankamaroany dia miteny diola (fantatra koa amin' ny anarana hoe fiteny jola), ny hafa anisan' izany ny fiteny bôbô sy ny fiteny samô ary ny fiteny marka. Miely patrana ny fiteny fola (na folany), indrindra any avaratra. Ny fiteny gormantse dia tenenina any atsinanana, fa ny fiteny bisa kosa no any atsimo.