Ny Faritra fitahirizan-javaboarin' i Mandena dia faritra fitahirizan-javaboary any atsimo-atsinanana amin' i Madagasikara, any amin' ny Faritra Anosy. Any amin' ny 10 km avaratr' i Tolagnaro sy 3 km miala ny morontsiraka atsimo-atsinanan' ny Nosy no misy io faritra io.
Ity faritra ity dia misy heniheny 82 ha, ary ala amoron-tsiraka 148 ha. Ny rotsak' orana 2 800 mm dia misy matetika amin' ny vanim-potoanan' ny orana amin' ny Nôvambra ka hatramin' ny Avrily, ity faritra ity dia manana mari-pana 9,5 °C hatramin' ny 35 °C.