Azia Atsinanana

Azia Atsinanana

I Azia Atsinanana dia faritra atsinanana ao amin' ny kôntinentan' i Azia. Ireto avy ny firenena hita ao Azia Atsinanana: i Sina, i Kôrea Avaratra, i Kôrea Atsimo, i Japàna ary i Taioàna. Manampy azy ireo i Môngôlia (izay indraindray atao anisan' i Azia Afovoany) sy i Vietnamy sy i Singaporo (noho ny antony ara-kolontsaina, atambatra matetika amin' i Azia Atsimo-Atsinanana), ny faritra Atsinanana Indrindra Rosiana koa dia azo ampidirina ao. Matetika dia akambana amin' ny faritra Atsinanana Indrindra izy.

Kolontsaina

Ara-tantara dia nisy akony tao amin' ny kolontsain' ny firenena ao Azia Atsinanana i Sina, indrindra momba ny voambolana sy ny fanoratana ary ny finoana sy ny fivavahana. Ny fototr' izany kolontsaina izany dia ao amin' ny tapany atsinanan' i Sina, ny Saikanosy Kôreana ary i Japàna, maro mantsy ny zavatra itovian' ireo faritra sy firenena ireo, toy ny:

Ny fielezan' ny kolontsaina sinoa nankany atsinanana (Kôrea sy Japàna) dia efa tamin' ny taonjato faha-6. Ny fielezan' izany mankany Môngôlia sy any Andrefana tamin' ny taonjato faha-11 niaraka amin' ny dinastia Yuan avy amin' ny Môngôliana noho ny ezak' i Gengis Khan.

Ny mponina

Tamlin' ny taona 2016 dia nisy mponina miisa 1,6 tapitrisa ny tany Azia Atsinanana, ka 21,8 % amin' ny mponina maneran-tany izany. Izy no faritra faharoa ahitana mponina betsaka indrindra aorian' i Azia Atsimo.

Taona Azia Atsinanana Maneran-tany Isanjato
1950 666 586 000 2 525 149 000 26,4 %
1960 788 145 000 3 018 344 000 26,1 %
1970 978 113 000 3 682 488 000 26,6 %
1980 1 173 372 000 4 439 632 000 26,4 %
1990 1 368 592 000 5 309 668 000 25,8 %
2000 1 496 284 000 6 126 622 000 24,4 %
2010 1 575 320 000 6 929 725 000 22,7 %
2016 1 618 778 000 7 432 663 000 21,8 %

Noho ny taham-piterahana izay ambany dia ambany dia tsy mitsaha-midina ny isanjaton' ny mponina ao Azia Atsinanana raha ampitahaina amin' ny isan' ny mponina maneran-tany. Fanampin' izany dia faritra ahitana fihanteran' ny mponina haingana indrindra i Azia Atsinanana.

Jereo koa

Strategi Solo vs Squad di Free Fire: Cara Menang Mudah!